Sri Lanka : Sirimavo Bandaranaike, vehivavy voalohany lehiben’ny governemanta
Teraka ny 17 Aprily 1916 tao Balangoda i Sirimavo Bandaranaike ary maty ny 10 Oktobra 2000 tao Colombo. Olom-panjakana tao Sri Lanka izy ary vehivavy voalohany lehiben’ny governemanta teo amin’ny tantara rehefa tonga teo amin’nyfintanana ny antoko politika Sri Lanka Freedom Party.
I Sirimavo Bandaranaike ihany koa no praiministra voalohany voafidy in-telo nifanesy tao Sri Lanka. Ny taona 1960 hatramin’ny 1965, 1970 hatramin’ny 1977 ary 1994 ka hatramin’ny 2000. Efa hatramin’izany ny fianakavian’i Sirimavo Bandaranaike no nibahan-toerana ara-politika tao Sri Lanka.
