ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Mitohy ny fandraisana mpianatra ao amin’ny CFPF Antsofinondry

Mitohy atrany ny fisoratana anarana ao amin’ny CFPF Antsofinondry. Amin’ny 5 septambra 2022 no fidirana manaraka.

“Isan’ny manampy betsaka ny Kaominina amin’ny fampananan’asa ny tanora eto tokao ity CFPF ity. Manohana hatrany azy ireo izahay ary miantso ny tanora hanovo fahalalana ao” hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana. “Misy ny fiofanana arak’asa maro ato toy ny fandrahoana sakafo, ny zaitra sy ny maro hafa. Voafetra ihany anefa ny toerana ary tsara raha mamandrika dieny izao” hoy ny tompon’andraikitra.

Tsy vitsy tokoa ny tanora efa nivoaka tato amin’ity ivon-toeram-pampianarana iray ao Antsofinondry Sabotsy Namehana ity. Misy aza ireo efa manana ny asany manokana ary miditra tanteraka ao anatin’ny fandraharahana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire