ActualitésTatitra

Afrique du Sud : Mpihira iray no namoy ny ainy teo ambony sehatra

 Mpihira malaza ao Afrique du Sud mpivohy ny gadona hip-hop i Costa Titch, 27 taona. Nandray anjara tamin’ny « Ultra South Festival » tao Johannesburg izy ny sabotsy teo. Io hetsika io dia tontosaina isan-taona ary mampivondrona ireo mpankafy mozika elektronika, hip-hop ary Rap.

Mbola tao anaty lanonana tanteraka no nianjera i Costa Titch. Mbola niarina nefa izy ary nanohy ny fampisehoana toy ny tsy nisy na inona na inona. Sekondra vitsy taorian’izany dia niverina nianjera indray izy ary namoy ny ainy teo no ho eo.

Mbola tsy taitra nefa ireo mpijery, ireo lehilahy roa niaraka taminy teo ambony sehatra no niezaka nanarina azy. Marihana fa nanana ny lazany teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa i Costa Titch.

Laisser un commentaire