ActualitésTsidika

Fiaraha-miasa: Hisy hanampy ny fanarenana ny haino aman-jerim-panjakana any amin’ny faritra.

Hanampy an’ny Madagasikara amin’ny fanarenana ny haino amamn-jerim-panjakana amin’ny faritra Atsimo Atsinanan’ny Nosy iny ny Fiangonan’I Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany. Mbola maro ireo asa ho atao, hosoloina  ny fitaovan’ny haino aman-jerim-panjakana simba vokatry ny fandalovan’ny rivodoza. Trano  miisa 31 no harenina amin’ny ampahany na manontolo. Ireo no voafaritra ao anatin’ny fifanaraham-piaraha-miasa.

“Mitentina 1 200 000 000 ariary ny fanampiana entin’ity  fiangonana ity ho fanatanterahana ny fiaraha-miasa. Voakasik’izany ny fampitaovana ny RNM/TVM nahitana fahasimbana. Eo koa ny fanamboarana ny trano amin’ny ampahany na manontolo. Ny fiangonana no hiantoka ny akora ilaina amin’ny fanamboarana.  Amin’ny alalan’ny  hetsika Tagnamaro hotarihin’ny minisitera kosa ny fanaovana ny asa”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

“Tokony hazava ihany koa ny zavatra tadiaviny aorian’ny fifanaraham-piaraha-miasa fa tsy fantatra ny tanjony. Mety hitondra zava-baovao, izay mety ho tsara, mety ho ratsy araka izay mpandray azy. Tsy fantatra mazava na hanery ireo olona any an-toerana hiova finoana…”, hoy I Eric, mpandinika fiaraha-monina.

Tsiahivina moa fa nisy ny fiantsoana fiaraha-miasa tamin’ny sehatra tsy miankina nataon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy izay nanapotika fotodrafitrasa maro tany amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara. Araka izany dia vokatry ny antso izao fahazoana fiaraha-miasa tamin’ity fiangonana namaly ny antso ity izao.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire