ActualitésTsidika

Vilihazo: Hisy ireo hetsika goavana entina mankalaza ny fetim-pirenena

Ao anatin’ny fanomanana ny fety fankalazana ny fiverenan’ny fahaleovan-tena tanteraka ny ao amin’ny kaominina Vilihazo amin’izao fotoana izao. Hisy ireo hetsika isan-karazany entina hanamarihana izany ao an-toerana, araka  ny voalaza.

“Hetsika maro no karakarain’ny kaominina mandritra ny fankalazana ny fety hiverenan’ny fahaleovan-tena ity. Ny 24 jona dia hisy ny ady baolina kitra goavana eo amin’ny kianja Fanahimaro. Hitohy ny 26 jona izany amin’ny alalan’ny fotoam-bavaka sy fananganan-tsaina arahina fampisehoana maro samy hafa” hoy ny avy amin’ny kaominina.

“Hitohy ny 27 jona ny fankalazana eto amin’ny kaominina ary hira gasy goavana no enti-mamarana izany. Hifanatrika mandritra izany ry Ramaroson avy eny Ampahimanga sy ry tariky Dada Lôra avy eny Manalalondo ka ny vahoaka sisa no handrasana sy entanina ho tonga maro” hoy hatrany ny fanazavana.

Anisan’ny kanto mampiavaka ny Malagasy ny hira gasy, fotoana tahaka izao ihany koa no fanomezana vahana azy ireny. Ny fanomezana lanja ny mahamalagasy dia tena zava-dehibe, indrindra amin’izao fetin’ny Malagasy tsy vaky volo izao.

Manitra R.

Laisser un commentaire