SocialTatitra

Vietnam: Olona 14 maty vokatry ny haintrano tany Hanoi

Olona maherin’ny 14 no maty, telo hafa naratra vokatry ny haintrano niseho tamin’ny immeuble iray tany amin’ny renivohitr’i Vietnam, ny faran’ny herinandro teo. Tao anatin’izany fahamaizana izany, naharenesana fipoahana maromaro, ary naharitra ora iray ny firehetana tao anatin’izany, raha ny fanazavana. Nisy efitra 12 isa fipetrahan’olon-tsotra tao amin’ity immeuble nirehitra ity, ary ny faran’ny ambany dia nisy tsenam-pivarotana sy toeram-panamboarana bisikileta mandeha amin’ny herinaratra. Maty tanteraka ary lasa lavenona avokoa izany rehetra izany. Ireo olona manodidina dia nanambara fa naheno fipoahana, toy ny afomanga, ka rehefa njery ny zava-misy dia efa nirehitra be ny afo. Ny septambra 2023, efa nitrangana fahamaizana trano ihany koa tao Hanoi, izay namoizana olona 56; ny taona 2022 ihany koa dia efa nisy toy izany ary namoizana olona 32 ary naharatra olona roapolo teo ho eo.

Laisser un commentaire