France : Nitono tena ny kardinaly Jean-Pierre Ricard
Nialohan’ny famaranana ny fivoriamben’ny evekan’i Frantsa tao Lourdes dia nisy valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety notontosaina. Nandritra izany dia namaky taratsay avy tamin’ny arsevekan’i Bordeaux teo aloha, Jean-Pierre Ricard, 78 taona ny lehiben’ny eveka Mgr Éric avy ao Moulins-Beaufort. Voarakitra tao anatin’izany ny fiaiken-kelokin’io arseveka io.
Nilaza izy fa tamin’izy mbola pretra dia fitondran-tena tsy mendrika tamina tovovavy 14 taona. NIteraka voka-dratsy lehibe sy maharitra teo amin’io olona io hoy izy izany fitondran-tenany izany. Marihana fa efa tany amin’ny 35 taona lasa io herisetra nataon’ny kardinaly Jean-Pierre Ricard io ary tsy nisy ny fitoriana nandritra izany. Vonona hiatrika ny fitsarana kosa io nanoratra ny taratasy io izay naneho fialan-tsiny tamin’ilay vehivavy.
