Compostage : Fomba iray hanodinana ny fako organika
Ny « compostage » dia isan’ny fomba tsotra sy voajanahary indrindra ahazoana zezika be otrikaina ho an’ny zavamaniry. « Processus de décomposition » ny fako organika na ny fako avy amin’ny sakafo izy io ary azo vokarin’ny olon-tsotra sy ireo mpisehatra ara-barotra. Isany fomba tsara hanodinana ny fako organika sady mampihena azy ihany koa izany.
Maro ny fomba hanodinana ny fako organika ho lasa « compost ». Isan’izany ny « bacs à compost », « tas de compostage » ary ny « lombricomposteurs ». Ny tsotra indrindra dia ny « compostage en tas » izay tsy mila fitaovana sy ezaka maro. Toerana hametrahana ny fako fotsiny no ilaina, fitaovana ampiasaina amin’ny « compost » toy ny baoritra, taratasy, « paille » ary rano kely.
Atokana amin’ny toerana iray ireo fako ary tondrahana rano kely, saromana amin’ny lamba na baoritra na taratasy izany avy eo mba tsy hihinanan’ny bibikely azy. Maharitra herinandro na volana mihitsy ny fiovan’ny « compost » ka tsara izy afangaro indraindray mba hanafaigana ny « décomposition »
