Fahasalamana : 15% amin’ny zaza Malagasy no matin’ny aretin’ny taovam-pisefoana
Dépêche 10 novembre, 15h30, Zaza 2 amin’ny folo amin’ny zaza latsaky ny 5 taona no matin’ny aretin’ny taovam-pisefoana eto Madagasikara. Manaraka izany dia ny aretina fivalalanana no mahafaty ankizy maro. Eo ho eo amin’ny 45% amin’ny ankizy latsaky ny 5 taona eo ihany no manatona toeram-pitsaboana rehefa voan’izany aretina izany. Hamolavola tetik’asa vaovao ny MID ho fanatsarana ny fahasalaman’ny zaza vao teraka hatramin’ny 5 taona. Hentanina ireo Ray aman-dReny satria aretina azo sitranina tsara ity aretina ity ary maimaim-poana izany fitsaboana izany ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona.
