ActualitésTatitra

Afrique du Sud : Firenena enina no hanatevin-daharana ny Brics manomboka ny taona 2024

Notontosaina ny herinandro lasa teo tao Johannesburg ny fihaonana an-tampon’ireo firenena mandrafitra ny Brics dia i Brésil, Russie, Inde, Chine ary Afrique du Sud. Naharitra roa andro izany fivoriana izany ary nahafahan’io « Club des 5 » nifanakalo hevitra momba ny fanitarana ny Brics.

Raha ny fanazavana dia firenena 40 no nanao fangatahana amin’ny fanatevenan-daharana izany vondrona izany. Firenena enina ihany nefa no voafantina tao anatin’izany raha ny fanazavana dia i Iran, Argentine, Egypte, Ethiopie, Arabie saoudite ary ny Emirats Arabes Unis. Amin’ny fiandohan’ny volana janoary 2024 no hotontosaina ny fandraisana maha-mpikambana amin’ny fomba ofisialin’izy ireo raha ny fanamafisan’i Cyril Ramaphosa.

Mampiseho io fanirian’ny firenena maro handrafitra ny Brics io fa mahazo lanja, toerana ary tanjaka eran’izao tontolo izao ny vondrona hoy io filohan’i Afrique du Sud io.

Laisser un commentaire