ActualitésTsidika

Alasora: Afaka antsoina, ary miasa amin’ny fotoana rehetra, ny taxicommunal

Manampy ny mponina ary manala fahasahiranana raha misy vonjy maika ny taxicommunal. Anisan’ny miara-miasa akaiky ary manampy ny fiara fitaterana ao amin’ny kaominina izy ireny. Ho an’ny ao amin’ny kaominina Alasora, efa vita lisitra ny anaran’ny tompon’ny fiara, ny nomeraon’ny fiara ary ny laharan-tariby afaka antsoina raha mila fiara na vonjy maika.

“Tafiditra ao anatin’ny anjara andraikitry ny kaominina, entina hanamorana ny fivezivezena ny fametrahana ny taxicommunal. Maro izy ireo no miasa ao anatin’ny kaominina, ary natao hiasa amin’ny fotoana rehetra. Mba tsy hanano sarotra ny fitadiavana azy ireo indrindra ho an’ireo izay tsy mahafantatra ny fisiany no hanomezana ny laharana hahafahana mahazo azy ireo” hoy ny avy avy ao amin’ny kaominina.

“Ilaina tena ilaina tokony ny fahaizana ireo laharana ireo. Anisan’ny vahaolana raha sendra taraiky na mila vonjy maika dia tsy sarotra intsony izany ankehitriny ny mitady fiara andehanana, hisaorana feno ny kaominina izay fandraisana andraikitra izay” hoy I Théophile, mponina ao Alasora.

 Mahavonjy ary anisan’ny manamora ny fahasahiranana amin’ny olan’ny fitateram-bahoaka ny taxicommunal. Na dia izany aza anefa, tsy tokony hanararaotra eo amin’ny saran-dalana ny mpamily fa mba hifampitsinjo, toa izany ihany koa ireo mpandeha eo amin’ny ady varotra amin’ny saran-dalana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire