Talata Volonondry : Miasa anaty firaisan-kina ireo fikambanam-behivavy
Fotoana fiakaran’ny vokatra amin’izao fotoana izao, ho an’ny kaominina Talata Volonondry. Anisan’ny maneho firaisan-kina amin’ny fanatanterahana ny asa fambolena, ny fiotazana sy ny fampiakarana ireo vokatra ao an-toerana, toa ny petits pois, ireo fikambanam-behivavy miasa amin’izany sehatra izany ao an-toerana. Araka ny voalaza, anisan’ny manampy azy ireo ny ben’ny tanàna ary manohana azy ireo amin’ny fanatsarana ny sehatra fambolena.
« Fototr’asa sy seha-piveloman’ny mponina maro ato anatin’ny kaominina Talata Volonondry ny fambolena. Maro ireo fikambanam-behivavy manome lanja izany sehatra izany eto an-toerana, izay omena fanohanana hatrany entiny manatsara ny fari-piainany. Izany dia amin’ny alalan’ny fanomezana masom-boly sy ny zezika ary ny fiofanana isan-karazany » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
« Efa fanaon’ny malagasy hatramin’ny taloha ny miasa anaty firaisan-kina, toa ny vali-tanana. Anisan’ny namelona, nampirindra ary nampandroso ny sehatry ny fambolena izany ary misy ireo tantsaha any amin’ny tontolo ambanivohitra mbola manatanteraka izany, izay sady manamafy ny fihavanana no mampihena ny lany amin’ny fambolena izany » hoy i Laurent, tantsaha.
Ny fanatsarana sy ny fanomezan-danja ny fambolena no anisan’ny varavarana mitondra mankany amin’ny fandrosoana. Mbola ny ankabeazan’ny malagasy no mivelona amin’izany sehatra izany, koa raha omena sehatra sy fanohanana izy ireo, hivoatra mankany amin’ny fandrosoana ny malagasy.
Manitra Ramanantsoa
