ActualitésTatitra

Océanie : Ahiana ny hisian’ny tondra-drano ao amin’ny nosy Salomon

Nisehoana horohorontany tamin’ny mari-drefy 7 tao amin’ny nosy Salomon, ao Océanie ny talata 22 novambra teo. Tany amin’ny halalina 13 km ny ivon’izany ny raha ny tatitrin’ny USGS (Institut des études géologiques américain).

Manoloana izany dia manahy ny hisian’ny tondradrano ireo tompon’andraikitra. Efa nandefa ny fampitandremana izy ireo ho an’ireo toerana manodidina ny 300 km ny ivon’ny horohorontany. Ny PTWC (Centre d’alerte aux tsunamis du Pacifique) kosa nefa dia nilaza fa mbola fanahiana ihany izany.

Nanantena hatrany nefa ny talen’ny sampan-draharahan’ny toetr’andro ao amin’ny nosy, David Hiba Hiriasia mba ho mailo ny tsirairay manoloana ny tanjak’io horohorontany io.

Laisser un commentaire