Alasora : Antoky ny fampandrosoana ny tanàna ny fandoavan-ketra
Manentana hatrany ny mponina ao aminy handoa hetra ny kaominina Alasora. Sakana lehibe tsy mampandroso mantsy ny tsy fanefana izany.
« Tsy afaka ny hisitraka fampandrosoana mihitsy ny firenena raha tsy mazoto mandoa hetra ny vahoaka. Ampahany kely amin’ny fananany ihany ny hetra alaina aminy. Adidy ho an’ny firenena noho izany ny fandoavan-ketra » hoy i Emilien, manam-pahaizana mikasika ny hetra. « Manentana hatrany antsika mponina eto Alasora hanefa ny adidy amin’ny fandoavan-ketra. Efa misy ny karatra ho an’ireo mpandoa hetra. Maro ny tombontsoa azo amin’ny fananana ity karatra ity » hoy ny ben’ny tanàna ao Alasora, Randriantsoa Jimmy.
Mitaky fahatsapan-tena avy amin’ny tsirairay ny fandoavan-ketra. Fandraisana anjara mivantana amin’ny fampandrosoana ny firenena ihany koa.
Diamondra Randriantsiferana
