France : Nandà ny fanampian’ny filoha teo aloha Nicolas Sarkozy i Valérie Pécresse
Bokan-trosa 5 tapitrisa euros ny kandida nilatsaka ho filoham-pirenena Valérie Pécresse. Anisan’ireo maty antoka indrindra tamin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana ny tenany. Raha tsiahivina dia 4,8% monja ny isam-bato no azony tamin’izany, antontan’isa izay tsy nahavita nanefa ny vidin’ny fampielezan-keviny.Manoloana izany dia nanao antso tamin’izany nalala tànana izy nanomboka ny 11 aprily teo. Vola 2,5 tapitrisa euros no no efa voahangony raha nifantatra. Anisan’ireo nanampy azy tamin’izany ny filoha tany aloha Nicolas Sarkozy izay nanome azy 2 000 euros monja raha 4 600 euros ny fanampiana farany ambany ara-dalàna amin’ny tranga toy izany.Tamin’ny fotoana nandefasan’i Nicolas Sarkozy io ihany dia naverin’i Valérie Pécresse tany aminy ny vola. « Tsy fiantrana no nangatahina fa firaisankina sy firahalahiana » hoy ireo olona akaiky azy.
