ACM : Efa mandeha ny lamina handoavana ny karaman’ny mpiasa tsy voaloa roa volana
Tsy ho ela intsony fandoavana ny karaman’ireo mpiasan’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM). Manantena ny sendika fa ho voaloa hirotsaka any amin’ny kaontin’izy ireo ny karama roa volana mbola tsy voaloa. Loharanom-baovao iray avy ao amin’ny fikambnana sendikaly sy fiainam-piara-monina (SVS) eo anivon’ny ACM fa ho amin’ity herinandro ity ny fandoavana izany karama izany raha ny taratasy navoakan’ny Tale Jeneraly hoan’ny sendika. Loharano iray akaikin’ny raharaha dia milaza fa an-dalana ny fandoavana izany karama izany na dia tsy mbola namoaka daty mazava hivoahan’ny karama aza izy ireo.
Etsy andanin’izay, milaza ireo mpiasan’ny ACM fa mbola tsy nandray karama izy ireo hatramin’ny volana Jona 2021. Ary nanambara ireo sendika fa tolotra sy asa kely indrindra no ataon’izy ireo eo am-piandrasana ny karamany. Nisy moa ny fihaonana niarahana tamin’ny Ministry ny Fitaterana sy ny toetrandro ny herinandro lasa teo. Ary nanangana kaomisiona hanolorana vahaolana hoan’ny olan’ny Aviation civile de Madagascar. Izany vahaolana izany dia ho entina eo anoloan’ny Filan-kevitry ny Ministra manaraka eo.
Sitraka Rajaonarivony
