ActualitésTsidika

Albertine Rasoarimalala : Mamelona irery ny ankohonany

Mamelona irery ny ankohonany i Albertine. 52 taona izy, mananjanaka vavy iray sy zafikely iray. Tsy manambady izay ka mamelona irery ny ankohonany. Monina ety akazomanga atsimo. Ny asantrano no asany teo aloha ary ankehitriny kosa mikaramarama izay hita eny fotsiny akoatra ny mantsaka rano sy manasa lamba. Ataony avokoa izay karama kely hitany eny. Manampy azy amin’ny tsakarano sy sasalamba ny zanany vavy. Mifanampinampy eo izy mianaka satria ny hoanina androanay tadiavina androany. Misy fotoana tsy misakafo rehefa tsy mahita asa atao. Izany hatrany no fiainan’izy ireo isan’andro, tsy mba misy inona fa ny fitadiavana izay hoanina no heritreretina isan’andro. Sarotra ny fiatrehana ny andavan’andro noho ny fihakaran’ny vidim-pihaina nefa ny asa tsy misy.

Laisser un commentaire