Ankadikely Ilafy : Nisy ny hetsika fizaham-pahasalamana maimaim-poana
Nisy ny hetsika fizaham-pahasalamana maimaim-poana tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ny faran’ny herinandro teo, ka tsy nifarana raha tsy omaly alatsinainy. Olona maro no nahazo fitiliana ireo aretina toy ny aretim-po, diabeta ary ny tosi-dra. Nomena tohana ara-tsakafo ihany koa ireo zaza iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo, araka ny voalaza.
“Maro ireo nisitraka ny tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana teto amin’ny kaominina. Fiaraha-miasa tamin’ny ministera misahana ny fahasalamam-bahoaka moa no nahafahana nanome fizaham-pahalamana amin’ny ankapobeny ny mponina, teo ihany ny fanabeazanaizana ary fitiliana ny zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Hisaorana lehibe ny avy amin’ny minsitera nanolotra izao hetsika izao ho an’ny mponina. Hirariana ny hitohizan’izany hatrany mba ho antoka ara-pahasalamana ny vahoaka. Efa maro ireo olana ara-pahasalamana miseho amin’izao fotoana kanefa lasa ambanin-javatra ny fitsaboana tena noho ny tahotra sy ny fahasahiranana maro samihafa” hoy i Mbolatiana, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Tafiditra tao anatin’ny hetsika ataon’ny ministera, dia ny fitsaboana manantona ny vahoaka, teto amin’ny faraitra Analamanga moa ity hetsika ity. Distrika maro no nanaovan’ny ministera izany, ka anisan’ny nahazo ny anjarany ny distrika Avaradrano, izay natao tao amin’ny kaominina Alasora sy Ankadikely Ilafy izao.
Manitra R.
