ActualitésTsidika

Ecovision Village : Mitana anjara toerana lehibe eto anivon’ny firenena, indrindra amin’iny faritra atsinanana iny

Azo lazaina ho foiben’ny tetik’asa ihany koa iny faritra atsinanana iny, indrindra moa fa ireo tetik’asa mahakasika ny tontolo iainana. Isan’izany ity an’ny écovision village ity, nampitondrany ny anarana hoe « Kalanoro ».

Mbola manjaka dia manjaka ny doro tanety, ny fanapahana ala tsy ara-drariny amin’iny faritra atsinanana iny; nanome vahana izany ny tsy fananana asa nandritra ireny covid-19 ireny ka miezaka mitady zavatra ho atao ahafahan’ireo mponina misakafo. Vinan’ny Unesco eto Madagasikara ny hanova ny fitondran-tenan’ny tsirairay sy ny an’ny daholobe manoloana ny lafiny fahantrana, fiarovana ny tontolo iainana, ary ny fiovaovan’ny toetr’andro. Anjara asan’ny avy ao amin’ny ecovision village ihany koa izany satria izy ireo dia mpikambana aon amin’ny Unesco eto Madagasikara.

Ho fanatrarana ny tanjona dia toy izao daholo ny hetsika sy ny asa hatao amin’izany: fanarenana ireo ala amin’ny alalan’ny fambolena hazo, fiarovana ireo ala sy ny toerana rehetra manodidina azy, fanohanana ireo mponina hivoatra hatrany amin’ny lafiny ara-pivelomana, mampiditra mpilatsaka antsitrapo ary manentana ny hafa hatrany ho amin’izany, ary nyn farany izay lehibe indrindra dia ny fitsinjovana ireo mponina ka miara-miasa akaiky amin’izy ireo mba hisian’ny fandrosoan’ny tetik’asa.

Ala mikitroka no niantsoana iny ala atsinanana iny fahiny noho izy tena maizina mihitsy rehefa tazanina, izay avy amin’ny habetsaky ny ala. Anisan’ny nahatonga ny anaran’i Madagasikara ho nosy maitso ihany koa izany. Ankehitriny niova daholo izany rehetra izany noho ny fanimbana, ilaina fiaraha-miasa ny fanarenana izany mba hampiverina ny tontolo iainana ho tsara sy meva ary hahasalama.

Miora Raharisolo

RépondreRépondre à tousTransférer

Laisser un commentaire