Maroc : Nihaona tamin’ireo mpianatra sy mpiala ravinahitra any Maroc ny Filoham-pirenena
Nihaona tamin’ireo mpianatra sy mpila ravinahitra any Maroc ny filoham-pirenena mivady nandritra ny fandalovan’izy ireo any an-toerana. Nanararaotra ny fotoana hanatanterahana ny « Choiseul Business Forum » any Maorc izy mivady ka nitafa sy nihaino ny fangatahan’ireo Malagasy monina sy mianatra any an-toerana.
« Ny olanay amin’ny fikarakarana taratasy no tena nangatahanay fanampiana sy fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana. Tsy mbola ahitana ny ambasadin’ny Malagasy mantsy aty Maroc ka izay no tena hilainay. Hitsanagana tsy ho ela moa izany hoy izy ka miandry izahay », hoy i Jessica, mpianatra Malagasy any Maroc.
« Na ny firenena maraokanina aza dia nangataka izany Ambasady izany mba hanamora ny fiarah-miasa amin’ny firenena roa tonta ka mety tsy ho ela dia hitsangana izany. Samy mila izany avokoa na ianareo na ny firenena Malagasy na ny firenena Maraokanina ka tsy ho ela izany », hoy kosa ny Filoham-pirenena.
Fotoana iray natao hifampidinihana ny mety ho anjara birikin’ny tsirairay ity fotoana ity hampandrosoana ny Firenena. Samy manana adidy amin’izany avokoa mantsy na ny eto antanindrazana ny ireo mpila ravinahitra rehetra any ivelany any.
Miora Raharisolo
