Etats-Unis : I James Earl Jones no manao ny feon’i Mufasa sy i Dark Vador
Teraka ny 17 janoary 1931 tao Arkabutla, Mississippi i James Earl Jones. Mpilalao horonantsary ao Amérique ny tenany izay zanakin’ny mpilalao horonantsary Robert Earl Jones (1910-2006). Tena mampalaza an’i James Earl Jones ihany koa ny filalaovana teatra. Anisan’ny nanamarika azy teo amin’izany sehatra izany ny filalaovany tao amin’ny The Great White Hope (1967) sy ny Fences (1985).
Ny horonantsary Docteur Folamour (1964) notontosain’i Stanley Kubrick kosa no nidirany teo amin’ny tontolon’ny horonantsary. Manana feo midoboka miavaka i James Earl Jones. Nahazoany fanatontosana feo lafika maro izany. Anisany malaza indrindra amin’izany ny fanatontosany ny feon’i Dark Vador ao amin’ilay horonantsary Star Wars sy ny feon’i Mufasa ao amin’ny Le Roi Lion. Ny tenany ihany koa no nanonona ny teny filamanitry ny CNN « This is CNN » tamin’ny taona 80 sy 90.
