ActualitésTsidika

Fanatanjahan-tena : Niala tsy ho mpilalao baolina matihanina intsony i Jérôme Mombris

Namarana ny fifanarahana tamin’ny « En Avant Guingamp » amin’ny filalaovana an-kianja i Mombris. Antony arak’as ano nahatonga izany fanampahan-keviny izany.

« Noho ny antony izay azy manokana, nanajanona ny fiarahana tato anatin’ny klioba. Tsy hanao baolina kitra intsony i Jérome Mombris » hoy ny EA Guingamp. « Mpilalao tena mahay tato amin’ny ekipam-pirenena Malagasy anefa i Mombris. Ny CAN tamin’ny 2019 tany Egypte no tena nanehoany ny fahaizany tamin’izany. Mpilalao nahatokisan’i Nicolas Dupuis izy tamin’izany » hoy i Feno, mpilalao baolina kitra.

« Samy manaiky izay safidiny isika. Izay no lalana mety hitondrany ny fiainany. Mila miezaka kosa anefa ny mpilalao hafa namany » hoy i Sabrinah, mpankafy baolina kitra. Nitana ny anjara toerana mpiandry ny vodilaharana izy tao anatin’ny klioba tany ivelany izy. Isan’ireo mbola voafidin’i Eric Rabesandratana hilalao ao amin’ny Barea ihany koa izy taorian’ny CAN 2019.

Nicole Rafalimananjara 

Laisser un commentaire