ActualitésTsidika

Fianarantsoa : Hazakazaka no nanamarihana ny firaisan-kinan’ireo zandary

Samy nanana ny fomba nandraisana ny taona vaovao ny rehetra. Hazakazaka namakivaky ny tanànan’i Fianarantsoa kosa no nentin’ireo zandary nanamarihana izany.

« Anio alatsinainy 3 janoary no natomboka ny taom-piasana 2022 » hoy ny Kolonely Komandin’ny fari-piadidiana ao Fianarantsoa. « Tena ilaina ny fanaovana fanatanjahan-tena. Tombontsoa ho an’ny vatana izany ary tena ilaina eo amin’ny asanay. Entina hanamarihana ny firaisan-kina ihany koa ny fiaraha-mihazakazaka » hoy ny zandary iray ao Fianarantsoa.

Mahafinaritra ny mahita ireto zandary ireto mavitrika tahaka izao. Eto am-panombohana ny taona izy ireo dia mampiseho ny fahavononany hatrany hiaro ny vahoaka sy ny fananany » hoy i Kolo, mponina ao Fianarantsoa. Mahafinaritra tokoa ny fanehoam-pahavitrihana hampandriana ny fahalemana eto amintsika.

Antenaina fa hanatanjan-tena hiaro ny vahoaka izy ireo manoloana ny ratsy. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire