ActualitésTsidika

Ukraine : Misafidy na ho any Pologne na hijanona any ihany ireo Malagasy

Mifandray akaiky amin’ireo olona roapolo any Ukraine ny Masoivohon’i Madagasikara any Russie no sady miandraikitra ny any Ukraine. Nomena safidy izy ireo na hijanona ao Ukraine ihany na ho any Pologne.

« Malagasy roapolo no voalazan’ny sampan-draharaha kaonsily Malagasy tamin’ny fomba ofisialy fa any Ukraine amin’izao. Mifandray akaiky amin’ireo olona any ireo noho izany ny manam-pahefana Malagasy. Misafidy izy ireo na hijanona ao Ukraine ihany na ho any Pologne » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny. « Nisy tamin’ireo olona ireo no nisafidy ny hijanona amin’ny toerana misy azy. Ny hafa kosa nanapa-kevitra ny ho any Pologne » hoy ny Masoivohon’i Madagasikara any an-toerana. Malagasy iray ihany koa no nilaza tao amin’ny tambajotran-tserasera fa nandray fitaovana hiaro an’i Ukraine.

Tsy mbola naneho ny heviny manoloana ny disadisa misy eo ami’nny Russie sy i Ukraine hatreto ny mpitondra Malagasy. Ny mikasika ireo Malagasy any Ukraine no niahiana. Zava-dehibe tokoa ny fisoratana anarana any amin’ny masoivoho sy « consultat » any amin’ny firenena honenany ny teratany Malagasy. Azo antoka mantsy ny fiarovan’ny fanjakana azy raha sendra misy ny olana. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire