ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Nohatsaraina ireo boky fandraiketana ny soram-piankohanana

Nisy ny fanatsarana ireo boky fandraiketana ny sora-piankohonana ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Natao izany mba ho fanafainganana ny asa eo amin’ny servisy misahana ny sora-piankohonana, ao amin’ny biraon’ny kaominina, araka ny voalaza.

“Nohatsaraina ireo boky fampiasan’ny rafitra misahana ny sora-piankohonana eto anivon’ny kaominina mba ho faingana kokoa ny fikarohana sy ny fikarakarana eo amin’ity servisy ity” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

“Tena ilaina tokoa ny fanaovazana tahaka izao satria raha jerena dia anisan’ny manahirana ny mikaroka ireo taratasy taloha, indrindra ireo tamin’ny fotoana nisian’ny korontana ka mahasarotra ny fitadiavana ny firaiketana kopia. Anisan’ny tena tsara ihany koa anefa raha manao ezaka ny tomponandraikitra ka mampiasa ny teknolojia vaovao, satria haingana sy mora ampiasaina kokoa izany amin’izao vanin’andro izao” hoy i Hery, mponina ao Ambohimanambola.

Marihina moa fa ireo ekipa miandraikitra ny soram-piankohonana dia mandray olona tsy tapaka manomboka amin’ny 08ora maraina hatramin’ny 03ora hariva, isan’andro, ao amin’ny varavarana faharoan’ny biraon’ny kaominina.

Laisser un commentaire