DRSP Ihorombe : Avotry ny polisy ilay vehivavy 36 taona rehefa nalaina an-keriny nandritra ny 10 andro
28 Febroary, 09h00. Vehivavy variry 36 taona iray no nisy naka an-keriny tao Sakalalina distrikan’Ihosy ny 16 febroary lasa teo. 10 andro taty aoriana dia hitan’ny Polisy ny toerana nisy azy ary nidina ifotony hanavotra azy izy ireo. Avotra soa aman-tsara izy taorian’ny fifandonan’ireo manam-pahefana tamin’ireo mpaka an-keriny. Olona miisa 09 kosa no voasambotra hatreto ary mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika ny antony nanaovan’izy ireo ny fakana an-keriny sy fanadiahadiana momba ireo tompon’antoka tamin’ny fiketrehana fakana an-keriny ity.
