Dépêches

Ankazoavo Antanifotsy : Jiolahy roa no voasambotry ny zandary

28 Febroary, 08h00. Tànana iray ao Ankazoavo, kaominina Ambatomiady ao amin’ny distrikan’Antanifotsy no notafihan’ny andian-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana ny 25 febroary 2022 lasa teo. Vola sy entam-barotra vitsivitsy no lasan’izy ireo tamin’izany ary mbola nandratra raim-pianankaviana tao amin’ny tokatrano iray ihany koa izy. Voasambotra kosa ny roalahy tamin’ireo jiolahy ireo rehefa nanao fikarohana ny zandary avy ao amin’ny brigade Antanifotsy, Compagnie Ambatolampy. Mbola tratra teny aminy ny fitaovana fanaovany ny asa ratsiny niaraka tamin’ny ody gasy. Efa notanana vonjy maika izy roalahy ary efa mitohy ny fikarohana an’ireo namany hafa.

Laisser un commentaire