Fetin’ny Paka : Tomefy olona avokoa ireo toeram-pitsangatsanganana sy toeram-pilanonana
Dépêche 11 avril, 11h, Maro ireo hetsika niseho teto Antananarivo Renivohitra nandritra ny alatsinain’ny Paka teo. Nanana safidy avokoa ny mpianakavy sy ny tsirairay na hiaraka handeha hitsangatsangana, na hamonjy irony fampisehoana irony na hitady toerana ahafahana maka aina. Tomefy olona avokoa araka izany ireo toerana rehetra nahazoana alalana hisian’ny fety sy ny lanonana isan-karazany. Noho ny rotorotom-piainana diab efa samy nanomana avokoa ireo fianakaviana tsirairay ny tamin’iny fety iny. Samy nanao araka izay tratrany avokoa nahafahana namalifaly ny ankizy sy ny nahafahana maka aina kely amin’ny asa andavan’andro. Anosy, Ambohijatovo, Tsimbazaza, Antsonjombe, Mahamasina, Marais Masay…sy ny hafa. Samy nahazo ny anjarany avokoa ny rehetra.
