ActualitésTsidika

Alasora : Nizara fanampiana ho an’ireo mpianatra ny antoko avy ao Avaradrano

Tonga nizara fanomezana, entina hanampiana ireo mpianatra tao amin’ny sekoly ambaratonga fototra (EPP) Ambatomalaza ireo avy amin’ny antoko Hiaraka isika avy ao Avaradrano, ny herinandro lasa teo. Fitaovana isan-karazany toa ny fitaovam-pihinana ho an’ny sekoly sy fitaovam-panoratana ho an’ny mpianatra no natolotr’izy ireo nandritra izany.

«  Anisan’ny ezaka lehibe ary fanampiana sy fanohanana ireo mpiara-belona no niseho teto an-toerana. Ny sekoly izay fototra voalohany mila fikarakarana ahafahan’izy ireo mikolokolo ny zaza malagasy ary ireo fitaovana nozaraina no ahafahan’ny sekoly mikarakara sy manatanteraka ny fampisakafoanana an-tsekoly » hoy ireo avy amin’ny fikambanana.

« Hafaliana hatrany no miseho eo amin’ireo ankizy mpianatra rehefa misy ny fanohanana sy fanomezana azy ireo tahaka izao. Ny hetsika toa izao ihany koa dia miteraka ny fandrosoana, satria rehefa ampy ny fitaovana dia mazoto ny mpianatra hianatra » hoy ireo mpanabe ao an-toerana.

Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy, hoy isika malagasy. Zava-dehibe ho an’ny sekoly ny fahazoana fanampiana tahaka izao, indrindra ny lafin’ny ara-pitaovana. Ity farany izay olana sedrain’ny sekoly maro, indrindra ny eny ifotony, satria maro ireo sekoly sahirana ka tsy manana enti-mamaly ny filàn’ny mpianatra ao aminy.

Manitra R.

Laisser un commentaire