France : Inona ny tantaran’ny « billard » ?
Karazana lalao natao tamin’ny tany ny « billard » tany am-piandohana. Ara-tantara dia ny mpanjaka Louis XI no nanan-kevitra ny hanamboatra latabatra filalaovana « billard » voalohany tany amin’ny taona 1469. Nanana olana tao amin’ny lamosiny io mpanjaka io ka nangataka tamin’i Henri de Vigne hanamboatra latabatra ahafahan’ny olona milalao mifanaraka amin’ny ahavony mitsangana.
Mbola lavitry ny endriky ny « billard » amin’izao fotoana nefa ny endriky ny « billard » tamin’izany izay namehatrana takela-bato. Ireo andriana irery ihany no nilalao azy. Niova « élitiste » tsikelikely io lalao io ary nivoatra ihany koa ny fitsipika nifehy azy na tsy misy hitovizany ny amin’izao fotoana aza. Ny taonjato faha-18 no teraka ireo karazana « billard » ary lasa nalaza noho ireo akademia ahafahan’ny rehetra milalao izany. Tany amin’ny taona 1800 tany ihany koa no tonga tao Etats-Unis io lalao io.
Nandritra ny taonjato faha-19 kosa no nanombohan’ny fisian’ny endriky ny « billard » hita amin’izao fotoana.
