Etats-Unis : Tovolahy iray no maty vokatry ny fanaovana « challenge Tiktok »
Maro ireo karazana « challenge » ao amin’ny Tiktok mampanaonao foana ny tanora amin’izao fotoana. Isan’izany ny « Benadryl TikTok Challenge » izay natao fihinanana fanafody atao hoe « Benadryl » mba ahitana « hallucination ». Marihana nefa fa tsy iray na roa no hoaninana amin’izan fanafody izany fa am-polony mihitsy.
12 tamin’io fanafody io no nohanin’i Jacob Stevens, 13 taona avy ao Columbus, Ohio. Ny namany no naka sary azy ary nizotra tamin’ny antsakany sy andavany tsara ny Tiktok nataon’izy ireo nandrapaha tsy nahatsiaro tena an’ilay tovolahy nihinana ny fanafody. Avy hatrany dia nentina tany amin’ny hopitaly ity farany saingy ora vitsivitsy taorian’izany dia nanomboka maty ny taovany sasantsasany ary tsy namaly intsony ny atidohany.
Rehefa notsaboina nandritra enin’andro i Jacob Stevens dia namoy ny ainy. Manoloana ny tranga dia nanentina ny ray aman-dreny hanaramaso ny zanany amin’ny fampiasana ny tambajotra sosialy ny fianakavian’i Jacob Stevens. Tetsy an-kilany dia miantso amin’ny fanatsaharana ny fihinana io fanafody io tsy amin’ny antony ny Johnson and Johnson izay mpamokatra izany. Marihana fa fanafody novokarin’izy ireo ho an’ny aretin’aty ny « Benadryl ».
