Harena an-kibon’ny tany : Miroso amin’ny fanatanterahana ny lalàna vaovao mahakasika izany
Resa-be nanerana ny nosy mihitsy ny mahakasika ny lalàna vaovao momba ny harena an-kibon’ny tany. Ankoatra ilay lalàna mahakasika ny tamberim-bidy dia efa mizotra makany amin’ny fanatanterahana ireo lalàna vaovao rehetra ny Ministera amin’izao fotoana izao. Anisan’ny andalam-pametarahana amin’izao ny « guichet unique ».
« Noho ny olana sedrain’ireo mpandrahara no antony hametrahana ny “guichet unique” eny amin’ny “Mining Business Center Ivato”. Tsy eny amin’ny seranam-piara-manidina indray no hapetraka araka izany ity guichet ity. Aorian’ny fanomanana ny trano asiana « guichet unique d’exportation » dia hirosoana indray ny fametrahana ny lamina hafa. Tafiditra amin’izany ny fametrahana ny komity ahitana ny ambaratonga tokony hiasa amin’ny » guichet unique » dia ny Tahirim-bolam-panjakana, ny Fadintseranana ary ny FINEX », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika.
Efa miroso makany amin’ny fanatanterahana ireo lalàna rehetra araka izany ny asa satria Efa mandray ny antontan-taratasy fanomezan-dalana « agrément de comptoir » ny eo anivon’ny Agence national de la filière Or (ANOR) ankehitriny.
« Efa firy andro izay fa mbola mijanona ho amin’ny resaka ambony latabatra foana ioty raharaha ity. Raha resaka angamba no nampandroso an’ity firenena ity efa ela isika no lasa alavitra be. Tokony haseho amin’ny asa amin’izay ny fanapahan-kevitra », hoy i Roland, mpandraharaha amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.
Misy hatrany ny fitrandrahana, araka izany dia tokony hifanaraka amin’izany ny lalàna hampiharina fa tsy hajanona amin’ity resabe ity. Marihina fa mitondra tombontsoa amin’ny taoniny ho an’ny firenena ity sehatra ity ka tsy tokony ho tsinontsinoavina.
Miora Raharisolo
