Dépêches

Basket Ball: Hanana solontena amin’ny mpitsara ny BAL i Madagasikara

Dépêche 17 mai, 12h, Voaantso hitsara ny lalao paly-offs an’ny Basketball African league I Yann Vezo Davidson. Izy irery ihany hatreto no Malagasy voaantso hitsara lalao iraisam-pirenena amin’ity taranja ity. Tsy sambany amin’ny fandraisana anjara amin’ny fitsarana lalao iraisam-pirenena ny tenany saingy hatokisan’ny Fiba Afrika ka izao voaantso izao indray. Efa nitsara nandritra ny Elite 16 tao Abidjan ny tenany. Hotanterahina ao Kigali Rwanda ny 20 hatramin’ny 27 mey izao ity play-offs ity.

Laisser un commentaire