Fandraharahana : Ny fahaizana mifidy ny mpiara-miombon’antoka
Manomboka amin’ny fisafidianana tsara ny mpiara-miombon’antoka ny fiaraha-miombon’antoka mahomby.
Amin’ny mahampandraharaha dia mifandray sy miara-miasa aman’olona na mitantana olona rehefa misy ny fiafandraisana ara-barotra. Mety ho mpiara-miasa io, na mpamatsy vola, na mpiasan’ny banky. Eny, na ny olona miasa irery ho an’ny tenany aza dia mila ny mpanjifa sy ny mpamatsy mba hahafahany miasa.
Ny fifandraisan’ny mpandraharaha amin’ny olona hafa dia tokony ho raisina tahaka ny fandraisana mpiasa vaovao. Ny tsy fiheverana ireny fandraisana ireny ho tahaka izany dia mety hitarika voka-dratsy toy ny safidy diso fandraisana mpiasa vaovao. Tokony hahay hisafidy tsara ny fifandraisana ny mpandraharaha ary tokony hahay handinika tsara ny toetra amam-panahy sy ny fitsipika ananan’ilay olona hiditra ho mpiasa vaovao.
Misy zavatra iray izay mila fantatry ny mpandraharaha sy ataony an-tsaina dia ny hoe : mandritra ny fiainana mahampandraharaha azy dia mandray olona vaovao hatrany izy hiara-hiasa aminy. Ka noho izany, ilainy ny mahafehy tanteraka io fampidirana olona vaovao io, na dia manana mpitantana miandraikitra an’io aza izy ao amin’ny orinasany.
Betsaka ny mpandraharaha no tsy mahay manavaka ny kandida tsara sy ny kandida ratsy rehefa mampiditra mpiasa vaovao. Tsy ny endrika ivelany akory no resaka eto fa hoe, ny afaka mamokatra ny vokatra iandrasana sy ny tsy afaka mamokatra ny vokatra iandrasana. Ny vokatra manko dia zava-dehibe amin’ny fampidirana olona vaovao hiasa ao amin’ny orinasa, ary afaka manampy anao rehefa hampitaha sy hisafidy amin’ny olona maro ianao.
Murielle Andrianasoloniaina
