Fiarovam-pirenena : Tsy mora ny asan’ny tafika malagasy
Niarahaba sy nirary so any Minisitry ny fiarovam-pirenena, Rakotonirina Richard ny tompon’andraikitra ao amin’ny Ministera sy ny ao amin’ny fibaikoana ny tafika Malagasy. Ny 3 janoary lasa teo no nanatanterahana izany tany Ampahibe.
« Misaotra sy mankasitraka anareo ny tenako. Mirary soa sy mankahery ihany koa ho an’ireo miaramila eny an-kianja miaro ny vahoaka sy ny fananany » hoy ny Ministra. « Ilaina foana ny manome voninahitra ny raiamandreny rehefa tonton-taona tahaka izao. Amin’iny fotoana iny no hanolorana ny solombodiakoho » hoy i Johary, mpandala ny fomban-drazana.
« Tsy mora ny asan’ny tafika Malagasy. Asa efa nekena io ary adidy amin’ny firenena. Ny fandriam-pahalemana no tanjona hirosoana any amin’ny fandrosoana » hoy i Barthelemy, miaramila.
Mila mailo hatrany anefa isika na dia efa misy mpiaro aza. Tsy kely lalana ny ratsy ary ny fiaraha-miasa eo amin’ny vahoaka sy ny tafika no tena ilaina.
Nicole Rafalimananjara
