SocialTsidika

Sabotsy Namehana : Hanomboka tsy ho ela indray ny fidirana ao amin’ny CFPF Antsofinondry

Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny andiany faha-9 amin’ny fiofanana arak’asa ao amin’ny CFPF Antsofinondry. Manampy sy manohana hatrany ity ivon-toeram-piofanana ity ny Kaominina Sabotsy Namehana.

« Miara-miasa betsaka amin’ny kaominina amin’ny fampananan’asa ny tanora ity ivon-toeram-piofanana ity. Manana tombony lehibe isika eto Sabotsy Namehana. Ny any ivelany aza tonga mianatra maika fa isika » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. « Betsaka ny fiofanana hita ato amin’ny andiany manaraka io. Ao ny zaitra, ny fampihaingona lanonana, ny fandrahoan-tsakafo, eo ihany koa ny tontolon’ny informatika » hoy ny tompon’andraikitra.

Hanomboka ny 5 septambra 2022 ny fiofanana. Hanampy betsaka ny tanora hanan’asa izany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire