Championnat du Monde CALI 2022 : Hisolo tena an’i Madagasikara i Manana Ashley keyeluke Luciano
Taorian’i Sidonie Valdez Fiadanantsoa dia i Manana Ashley keyeluke Luciano, avy ao amin’ny Cosfa Analamanga, indray no hisolo tena an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hiatrika ny andiany faha 18 amin’ny Championnat du monde U20 eo amin’ny 100m sprint any Cali Colombie ny tenany ny 1 hatramin’ny 6 aogositra izao.
