Toliara : Hetsika fanasan-tanana
08 Aprily, 09h00. Hetsika fanasana tanana manerana ny tanàna no tontosaina ao Toliara mandritra ny telo andro. Natomboka omaly izany tao amin’ny Lisea Laurent Botokeky. Tanjona ny hanazarana ny olona hanasa tanana amin’ny rano sy savony hampihena ny aretina vokatry ny loto azo avy amin’ny tanana maloto. Mbola tafiditra ao anatin’ny fiadiana hatrany amin’ny valanaretina Covid 19 ihany koa izany.
