Antananarivo renivohitra : Navoakan’ny ben’ny tanana ny firafitry ny renivola ampiasaina ao amin’ny SMGD
08 Aprily, 08h30. Araka ny efa nambaran’ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, Naina Andriantsitohaina, tao amin’ny pejiny dia navoakany ny firafitry ny renivola ampiasaina ao amin’ny SMGD. Hita tamin’izany fa mitazona petrabola nindramina izay voarakitra anaty taratasy fifanarahana mazava vita sonia izay ny mpitantana (Administrateur) tsirairay avy. Fifanarahana izay tsy natao hahazoana tombom-barotra manokana, tsy natao hisitrahana tambiny ary tsy maintsy averina amin’ny orinasa raha vatany vao tsy manana andraikitra eo anivon’ny CUA intsony ilay mpitantana.
