Mbola mitohy ny hamehana ara-pahasalamana mandritra ny 15 andro.
28 Jona, 08h30. Fepetra ara-pahasalamana nolazain’ny praiminisitra nandritra ny fanambarana nataony ny fandraràna ny famorim-bahoaka mihoatra ny 400 eto amin’ny distrikan’Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Antsimondrano Ambohidratrimo, Ambatondrazaka ary Fianarantsoa I. Eo ihany koa ny mbola tsy azo itondrana ny razana voamarina fa matin’ny Covid-19 mivoaka na miditra ny faritra rehetra ary tsy mihoatra ny 10 ireo tokony andevina izany. Mbola mikatona ihany koa ny toeram-pandihizana ary mbola voatazona ny “couvre feu” manomboka amin’ny misasak’alina ka hatramin’ny 4 ora maraina. Mikatona hatrany ihany koa ireo sidina makany ivelany. Ny CTC-19 manerana ny Nosy dia mbola mikatona avokoa ankoatra ny eny amin’ny Village Voara.
