Ady amin’ny kitrotro : Fandringanana ny aretina kitrotro sy fanomezana vitamina
17 May, 11h00. Tapaka noho ny valan’aretina covid-1919 ny fizarana vaksiny fanefitry ny kitrotro ho an’ireo ankizy. Manoloana izany dia nikarakara hetsika lehibe ho famporisihana ny renim-pianakaviana mba hitondra ny zanany hatao vaksiny ny Governemanta Malagasy sy ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ireo mpiara-miasa aminy. Hetsika maimaim-poana hita manerana ny Distrika 114 ao anaty faritra 23. Haharitra 7 andro, nanomboka omaly izany ary tsy mifarana raha tsy ny 22 mey izao.
