Allemagne : Ludwig van Beethoven, mpanao mozika nanana kilema lasa alavitra
Mpamorona sy mpitendry « piano » i Ludwig van Beethoven. Teraka ny 15 na ny 16 desambra 1770 tao Bonn izy ary maty 26 martsa 1827 tao Vienne.
Solontena lehibe faran’ny « classicisme viennois » i Beethoven taorian’i Gluck, Haydn ary Mozart. Nanokatra ny fivoaranan’ny « romantisme » natao tamin’ny mozika ny tenany ary nampiova ny mozika tandrefana nandritra ny taonjato faha-19.
Teo amin’ny faha 27 taonany dia narenina i Beethoven. Tsy nahasakana azy nisehatra teo amin’ny tontolon’ny mozika nefa izany ary nahalasa alavitra ny sangan’asany. Naseho tamin’ny alalan’ny karazana mozika isan-karazany ny zava-kantony ary ana mozika « symphonique » aza no tena ivon’ny lazany dia nisy fiantraikany lehibe tamin’ny « écriture pianistique » sy ny « musique de chambre » ihany koa ny mozikany.
Izy no namorona ny « hymne à la joie », fanevan’ny Union Européenne.
