CultureTsidika

Merina : Voarara ny fifanambadian’ny samihafa firazanana

Voarara ny fifanambadian’ny samy hafa firazazana teo amin’ny foko Merina. Voalaza mantsy fa mandrorona ny Andriana nanambady hova na ny hova nanambady mpanompo izany. Ninoan’ny Ntaolo fa tsy mahavanombanona ny mandrorona. Izany hoe misy ifandraisany ny hasina sy ny maha-andriana na maha-hova na maha-mpanompo. Ny hasina dia izay hery anaty tsy hita maso manome hery sy fahefana miafina an’izay manana azy. Tamin’ireo mpanjaka merina nifandimby, ny Mpanjaka Radama II irery no voaporofo fa nanana vadikely mpanompovavy izay nifanosina taminy isan’andro, dia i Rasoamieja. Ity farany izay mpanompon’i Rasoherina vadin-dRadama II ihany.

Marihina fa ny Mpanjaka merina dia nanana vehivavy hanaovany firaisana ara-nofo saingy tsy misakaiza amin’ireny tsindry fe ireny izy ireo. Misolo vehivavy hafa indray na vonoina mihintsy izay vehivavy nataon’ny mpanjaka tsindry fe, dia toy izany koa raha mpanjakavavy. I Rasoamieja kosa anefa dia mpanompo hafa mihintsy satria nifanosina naharitra tamin’i Radama II.

Ny zava-nisy aloha dia ny mpanjaka Radama II no fohy indrindra ny fotoana nanjakany satria 02 taona monja (1861-1863). Raha ny finoan’ny Malagasy tamin’izany fotoana izany dia isan’ny antony nahafohy ny andro nanjakàny izany izy nandrorona ny tenany tamin’ny fiarahany tamin-dRasoamieja.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire