Toliara : Nanome kodiaran-droa ny polisy mendrika indrindra ny vahoaka
Notoloran’ny vahoakan’i Toliara kodiaran-droa, ny 3 janoary lasa teo, ny Inspecteur Razafindraony Felix. Nosafidian’ny vahoaka manokana izy nanoloana ireo mpiara-miasa aminy maro.
« Tena tsy ampy ny isan’ny Polisy eto Madagasikara. Ny isan’ny mponina mitombo hatrany anefa » hoy i Siteny, izay nikarakara ny fanomezana fankasitrahana ho an’ny mpitandro filaminana. « Polisy 3 ho an’ny olona 1 000 raha toa ka ny fenitra iraisam-pirenena no jerena. Polisy 1 ho an’ny olona 3 000 kosa ny misy eto amintsika. Hany ka miaina ao anaty tsy fandriam-pahalemana ny vahoaka. Vitsy ny mpiaro azy » hoy i Henri, mpandinika mikasika ny politika.
« Tena mety ny tahaka izao. Ny polisy anie ka efa vitsy nefa mbola misy ihany ireo tsy manao ny tena asa napetraka taminy. Hafa ihany izany Polisy tiam-bahoaka izany » hoy i Helène, mponina ao Toliara. Antoka iray lehibe hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana tokoa ny fampitomboana ny isan’ny mpitandro filaminana eto amintsika. Marihina fa manodidina 28 tapitrisa izao ny Malagasy. Firy izany ny mpitandro filaminana tokony hiasa eto ?
Nicole Rafalimananjara
