Lany teo anivon’ny Antenimieran-daholona ny sata mifehy ny mpanohitra
Isan’ny maneho fa tany Demokratika ny firenena iray rehefa omena lanja ny mpanohitra. Milaza izay tsy mety ataon’ny fanjakana izy ireny, ka manolotra vahaolana mifandraika amin’izany. Zava-dehibe ary mampandroso tokoa ny fisian’ny mpanohitra satria mahit any maharatsy ny hevitra iray ka mba tsy hampihemotra ny firenena. Lany teo anivon’ny antenimieran-doholona ny tolo-dalàna faha 001-2019/PL tamin’ny 09 septambra 2020 mahakasika ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny antoko mpanohitra eto Madagasikara, izay natolotry ny Solombavambahoakan’i Madagasikara Razafintsiandraofa Jean Brunelle. Ho fametrahana ny fanoherana ao anatin’ny sehatra manaraka ny lalàna no anton’ity lalàna ity hoy ity solombavambahoaka nanolotra ny lalàna ity. Ho ara-dalàna ny fanaovana hetsika ara-politika, ny fanehoan-kevitra isan-karazany eny anivon’ny haino aman-jery ary manatanteraka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-14, andalana faha-5 izany hoy hatrany izy. Marihina fa efa nisy ny lalàna laharana faha 2011-013 tamin’ny 09 septambra 2011 izay mifehy ny fanoherana eto Madagasikara, bfa noho fahatsapana fa nisy ny fahabangana tamin’izany lalàna izany no nahatonga ny fanolorana ity tolo-dalàna ity. Efa nisy fakan-kevitra maromaro tamin’ireo antoko politika mijoro ara-dalàna sy ireo fiaraha-monim-pirenena mialohan’ity fanoloran-dalàna ity. Nanambara ihany koa tetsy an-kilany ny Filohan’ny Antenimierandoholona Razafimahefa Herimanana fa manaraka ny Lalàmpanorenenana tsara ity tolo-dalana ity, ary zava-dehibe izy io satria mitarika fitoniana sy mampisy ny demokrasia eto amin’ny firenena. Hisy ny famerana ny fanehoan-kevitra an-dalambe raha araka ity lalàna vaovao ity ka ny solombavambahoaka ihany no tokony ho lehiben’ny mpanohitra. Mijanona anaty lapa ihany koa ny fanoherana, izany hoe fanoherana eo anivon’ny parlemanta. I Marc Ravalomanana anefa no filohan’ny antoko mpanohitra eto Madagasikara izay tsy solombavambahoaka akory. Fampanjakana ny demokrasia tokoa ve no misy sa fahatahorana tsotra izao io filoham-pirenena teo aloha mpitarika ny mpanohitra io ?
Nicole Rafalimananjara
