SocialTsidika

Vaksiny : 8 na 12 herinandro aorian’ny fatra volaohany ny fatra faharoa

Efa mandeha izao ny fanaovam-baksiny amin’ny fatrany voalohany eto amin’ny firenena. Fa ny ara-pahasalamana mikasika ny fanaovaam-baksiny dia tsy maintsy mahavita fatra roa ny olona iray manao vaksiny fanefitry ny Covid-19. Nilaza indrindra ny avy amin’ny « Organisation Mondiale de la Santé » ny amin’izao « initiative Covax » eto Madagasikara izao fa tokony 8 hatramin’ny 12 herinandro aorian’ny hatongavan’ny fatra voalohany no tokony hatongavan’ny fatra faharoa. Mbola ny AstraZeneca ihany io fatrany faharoa tokony ho atao io izay mitondra ny anarana hoe « Covishield » hoy hatrany ny avy ao amin’izany sampana izany. Mbola nanamafy ihany koa izy ireo fa isan’ireo vaksiny azo antoka ity Covishield ity izay hatsindrona ny vahoaka Malagasy ity. Manao ahoana anefa ny tahan’ny fahazotoana hitsindrona izany vaksiny izany eto amintsika ? Rahoviana kosa ireo tsy tao anatin’ny sokajin’olona tokony hisitraka izany no hahazo ? Ny fatrany faharoa anefa ity efa tokony homanina sahady ? Mbola betsaka manko ny olona tokony hisitraka ny vaksiny fatrany voalohany kanefa mbola tsy anatin’ireo laharam-pahamehana toy ny mpampianatra izay mifandray akaiky amin’ny zanaka Malagasy ary ireo mpitatitra izay tsy maintsy mitatitra ny vahoaka na misy na tsy misy ny aretina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire