ActualitésTsidika

Havatsa-Upem : Tontosaina eny amin’ny tranom-bokim-pirenena Anosy ny lanonam-pakalazana

Miverina tsikelikely amin’ny fanomezan-danja ireo mpanoratra sy ny asa soratra Malagasy ireo tompon’andraikitra mahakasika izany, indrindra ny eo amin’ny Minisiteran’ny serasersa sy ny kolon-tsaina. Tanterahina ao amin’ny tranom-bokim-pirenena Anosy, efitrano Dox, ny herin’andron’ny Havatsa-Upem, izany nanomboka ny talata lasa teo, ary hifarana ny telopolo oktobra ho avy izao, izany hoe hahritra dimy andro ny hetsika.

Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonam-panokafa ny Minisitry ny serasera sy kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy sy ireo mpikambana rehetra nifandimby teo aloha. Mpisehatra maro mahakasika ny asa soratra no hita tany an-toerana nandritra ny andro voalohany tamin’ny fankalazana. Marihina fa fikambanana mahakasika ny literatiora Malagasy ny Havatsa Upem, izay efa nijoro teto amin’ny firenena nandritra ny fitopolo taona mahery. Fampiroboroboana ny asa soratra Malagasy sy fandikan-teny amin’ny endriny maro samihafa no anisan’ny antom-pisian’ny fikambanana.

Miha-mahazo laka tato ho ato ny fandrosoan’ny teknoloijia, izay fambara loza ho an’ny fampiroboroboana ny asa soratra malagasy. Noho izany antony izany indrindra no nisian’izao hetsika izao. « Isaorana manokana ny Filohan’ny Havàtsa-upem, ny birao rehetra ary ny Fikambanana iray manontolo, namolavola sy niketrika ny fivoahan’izao boky kely, « Felan-tatamo » izao, ho an’ny Mpikambana tsirairay. Boky voalohany navaokako ity boky ity raha ho ahy manokana » hoy i Ny Vetso, mpanao asa soratra Malagasy. « Hetsika iray hanararaotana ny fampahafantarana ireo Malagasy ny tantaran’ny literatiora teto amin’ny firenena ity. Fotoana ihany koa izao hamohahana ireo boky sy hampahafantarana ireo mpankafy ny asa soratra mahakasika ireo dingana lalovana amin’ny famohahana boky » hoy i Sahondra, mpikambana ao amin’ny Havatsa –Upem. « Mifanojo tanteraka amin’ny vina sy ny fandaharan’asa apetraky ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny tanjon’ny fikambanana. Efa maro ireo karazana fandaharan’asa novolavolain’ny manoloana ny fampiroboroboana ny haisoratra sy ny teny Malagasy. Teo ihany koa ny fanosehana ireo mpanoratra malagasy tamin’ny alalan’ny fandaharan’asa » hoy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy.

Tsapa ankehitriny fa efa samy manao ireo ezaka entina hampandrosoana ny Minisitera iadihadihana ireo tompon’andraikitra tandrify izany. « Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko », hoy i Henri Rahaingoson. Raha voahajan’ny vahoaka manontolo izany teny izany dia tsy ho takona intsony ny asa soratra Malagasy fa hahazo laka hatrany.

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire