ActualitésTsidika

Fanaovan-gazety : Misy ambadika ve ny famindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny holafitra vaovao sy teo aloha ?

Vita ny 26 oktobra lasa teo, teny amin’ny biraon’ny filoha teo aloha teny Antanimena ny famindram-pahefana teo amin’i Rakotonirina Gérard sy i Rasoloarison Monica, izay voafidy ho filohan’ny holafitry ny mpanao gazety. Tanjona ny hampalalaka ny asa fanaovan-gazety sy ny hampaleo tena ny holafitra mandritra izao fitondrana vaovao izao. « Malalaka ny fanehoan-kevitra, ary tsy sakana amin’ny fiaraha-miasa hampivoarana sy hiarovana ny asa fanaovan-gazety ny tsy fitovian-kevitra » hoy ny filoha vaovao, Rasoloarison Monica.

Testy an-kilany nilaza ny filoha teo aloha, Rakotonirina Gerard fa « tsy mandray ho fahavalo ny birao vaovao hitantana ny holafitry ny mpanao gazety, na dia tsy resy lahatra tamin’ny fomba nanaovana ny fifidianana aza. Tsy mampiova na inona na inona amin’ny foto-kevitra efa nijoroana na ny tolona efa natao akory ny fifamindram-pahefana ». « Ny vava no tsy atao be, ny mamerina azy no sarotra, aiza ilay vava natao teo aloha sa fiatsarambelatsihy fotsiny ihany izany » hoy i Narcisse, tao anaty tambajotran-tserasera. Antenaina fa tsy hisy intsony ny korontana eo amin’ity holafitra iray ity, ary tena hahaleo tena tsy hiankina amin’ny Ministera tokoa izy. Raha misy aza ny korontana ao anatiny dia tsy tokony hanakorontana ny asa fanaovan-gazety izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire