Mitombo ireo nodimandry noho ny coronavirus.
Hita sy heno amin’ny vaovao mandeha amin’ny fahitalavitra, amin’ny tambazotra sosialy isan-karazany fa mitombo hatrany ireo nodimandry noho ny valan’aretina Covid-19.
Alahelo, fahoriana no iainan’ny akabezan’ny olona. Na tsy te hieritreritra ny zava-mitranga ankehitriny ary ka vao maheno vaovao ratsy dia toa mihiba ny eritreritra. Toa lasa marary ho azy, toa lasa mipoatra ireo sorit’aretin’ny valanaretina.
Hoan’ireo izay tra-pahoriana moa dia manao toa ireny fanambarana ireny fa tena misy tokoa ity valanaretina ity fa tsy sangisangy. Ilaina tokoa ny miaro tena amin’izao ary samy manao izay vitany.
Manenjika mividy izao karazana fanafody fiarovan-tena sy fanefitra izao, mievoka ravintsara ny akabeazan’ny olona. Na fomba fisakafoanana aza niova mihitsy ka lasa mahery mihinana legioma, voankazo. Atao daholo ny fomba hanamafisana ny sela fiarovana. Ady mafy no hatrehan’ny olona ankehitriny ka manantena hatrany mba hivoaka mpandresy amin’izany ny tsirairay. Fiarahana miombona alahelo kosa no azo atolotra an’ireo izay tra-pahoriana noho izany.
Fenohasina Ratsimamitaka
