Doro tanety sy doro ala tany Ankazobe indray
14 Aprily, 14h30. Nisy nandoro indray ny valan-javaboahary Manankazo Ankazobe, tsy ampy 1 andro akory anefa izay no nisy firehetana tao. Velaran-tany 1 hektara no may niaraka tamin’ny hazo efa lehibe. May tao koa ny hazo 100 fototra novolena niaraka tamin’ny Filoham-pirenena ny taona 2020.
